Entrée | 1 Tsy hitony tsy akory |
Partie du discours | 2 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Mots élémentaires | 3 tsy, mitony, tsy akory |
Vocabulaire | 4 Littérature: poèmes |
Auteur |
5 Rabearivelo Jean-Joseph |
Texte complet |
6 Na dia misy olon-tiana 7 Hanakely ny mahory, 8 Sy hitondra hafaliana - 9 Tsy hitony tsy akory ! 10 Na dia misy anjely soa 11 Hanafoana sorisory, 12 Sy hamalifaly koa - 13 Tsy hitony tsy akory 14 Na dia manan-kery aza 15 Ny fitia mamorivory, 16 Dia sahiko ny milaza: 17 Tsy hitony tsy akory ! 18 Tsy hitony tsy akory 19 Fa diso ny finoana 20 Ry raozy e, esory 21 Ny tsilo manoloana. 22 Tsy hitony tsy akory 23 F' efa diso fanantena ! 24 Ny foko avela hatory, 25 Hanadino e, ry sena ! 26 Eny indrisy ! tsy hitony 27 Fara hery : manadino. 28 Fa ny tsy ho tia intsony 29 'Zany kosa, aza mino ! |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |